Fifidianana : miantso ny filoha Rajoelina ho kandidà ny antoko Maitso

Nanatanteraka kongresy nasionaly tetsy By Pass ny antoko Maitso hasin’i Madagasikara. Nivoitra tamin’ny fehin-kevitra ny momba ny hiatrehana ny fifidianana.

“Miiantso ny filoha Rajoelina izahay mba hirotsaka hofidiana filoham-pirenena in­dray”, hoy ny filoha nasionaly, Alexandre Georget, tamin’ny lahateny famaranana, ny kongresin’ny antoko. Nohitsin’ity antoko mpanohana ny fitondrana ity fa resy lahatra amin’ny zava-bitan’ny fitondrana izy ireo na teo aza ny olana samihafa : Covid-19, ny rivodoza, ny ady any Urkraine. Maro be ireo fotodrafitrasa vita ary voafehy ny vidin-tsolika sy ny vidin’ny herinaratra ary ny vidim-piainana na teo aza ny sondro-bidy maneran-tany. “Na­hazo tohana manokana ireo marefo ary voaaro ny tontolo iainana… Voahaja ny demokrasia sy ny zon’olombelona ary ny fahalalahana fototra”, hoy izy. Mino ny antoko Maitso fa hisy fandrosoana haingana sy maharitra raha mbola manana fotoana hanohizana ny asany izao fitondrana izao. Mampirisika ny mpitondra izy ireo hanohy ny ezaka efa mahavelombolo.
Etsy andaniny, namba­ran’izy ireo fa mitsipaka ny hanaovana Tetezamita ny antoko Maitso ary niantso ny mpanao politika koa mba hamela malalaka ireo rafitra mpanomana ny fifidianana hanao ny asany. “Ny fifidianana irery ihany no hany enti-manendry ny mpitondra firenena sady manaja ny fenitra demokratika”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa anisan’ny nanome voninahitra famaranana ny kongresy, ireo mpanao politika manohana ny fitondrana. Anisan’izany ireo minisitra am-perinasa sy ny teo aloha. Ny olom-boafidy, toy ny ben’ny Tanànan’An­tana­narivo sy ireo mpandraharaha lehibe.

Synèse R.

Partager sur: