Filohan’ny Ceni : “Lisitra madio sy azo antoka no narafitra”

Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama, tetsy Ambodivona , omaly, fa dingana lehibe ny fahavitan’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Tsy nanenjika isa fotsiny fa nandrafitra lisitra madio sy azo antoka izy ireo. “Nisy ny fitsirihan’ireo manampahaizana avy eto an-toerana sy avy amin’ny Frankofonia (OIF) ary samy nanamafy fa azo iatrehana fifidianana io lisitra narafitra io”, hoy izy.
Nanambara kosa ny minisitry ny Atitany, i Tokely Justin, fa tsy hitsabaka ary hanohana ny Ceni amin’ny asany ny governemanta. Manaja ny fahaleovantenan’izy ireo ny fanjakana ary vonona hanampy araka ny tandrify azy, amin’ny fikarakarana ny fifidianana. “Manome toky ny fitondram-panjakana fa hanao tantsoroka hatrany. Ezaka hatao ny fametrahana ny fitoniana, ary tsy maintsy raisina ny andraikitra amin’ny filaminam-bahoaka”, hoy izy.
Notsiahiviny fa natao tao anatin’ny fanarahana ny lalàna ny famoahana ny didim-panjakana momba ny fikarakarana fifidianana. Anisan’ izany ny fanapahan-kevitra momba ny anto-bola ho an’ny kandidà ho 200 tap Ar sy ireo tetiandro.
Niatrika izao fikaonandoha, andiany fahatelo, nokarakarain’ny Ceni izao, ireo mpisehatra politika avy amin’ny fanoherana sy ny mpanohana ny fitondrana. Teo koa ny avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny fiarahamonim-pirenena ary koa ny HCC…

Synèse R.

Partager sur: