Nihaona sy nahazo tsodrano tamin-dRakotondrazafy Lalatiana, minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, ny delegasion’ny kolontsaina, izay hiatrika ny lalaon’ny Frankofonia, andiany fahasivy, omaly. Fifaninanana hatao ao Kinshasa, RD Congo, ny 28 jolay 2023 hatramin’ny 5 aogositra 2023 izao. « Adidy sy andraikitra ny fiantsorohana ireto maherifon’ny firenena ireto amin’izao fifaninanana hatrehany izao. Ary amin’ny maha delegasion’ny kolontsaina azy ireo sy ny maha minisitera mpiahy anay no nanaovana izao fitsofan-drano sy fanohanana izao », hoy Rakotondrazafy Lalatiana. Omaly alina no nanainga ireto delegasionina ireto, niaraka tamin’ny delegasionina malagasy hamonjy izany lalao lehibe izany.
Mpanakanto samihafa, miisa 20 no hisolo tena an’i Madagasikara, eo amin’ny sehatry ny kolontsaina, mandritra ny lalaon’ny Frankofonia. Mandrafitra izany ny mpandihy, mpanao tanisa, mpihira, mpanao sary sokitra, mpanao hosodoko, mpanoratra, mpaka sary pika… Miaraka amin’izy ireo ao anatin’izany ihany koa ny mpandrindra miisa 4, avy eo amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Izy ireo izay hiantoka ny fandrindrana ny fifaninanana hatrehan’ny solontena malagasy, mba hifantohan’ireto maherifon’ny Malagasy ireto soa aman-tsara amin’ny fifaninanana hatrehany, araka ny nambaran’ny minisitra hatrany. Anio alina no hanatanterahana ny lanonam-panokafana ny lalaon’ny Frankofonia, andiany fahasivy.
Lin M.