Miantsehatra amin’ny fametrahana ny fotodrafitrasa sosialy ilain’ny mponina eny ifotony ny tetikasa «Produir», miaraka amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Efa vita avokoa ny 91% amin’ireo fotodrafitrasa miisa 206 tokony hatsangana mandritra ny andiany voalohany. Mbola hisy fotodrafitrasa miisa 238 kosa hamboarina mandritra ny tetikasa andiany faharoa.
Efa nisitraka ny tetikasa sosialy ny kaominin’Antananarivo Renivohitra (boriborintany I, IV sy VI). Torak’izany ireo kaominina manodidina toa an’i Bemasoandro, Andranonahoatra, Anosizato Andrefana ary Iarinarivo.
Lalankely, lalana ahafahana mifamezivezy, tohatra, tetezana, trano famakiam-boky, toerana fanaovana fanatanjahantena, rindrim-bato sy fotodrafitrasa mahakasika ny fahasalamana….
Ireny no entina mamaha ny olan’ny mponina, indrindra ireo any anaty tanàna hanamorana ny fivezivezena sy ho fandriampahalemana.
Ankoatra ireny ny asa goavana mahakasika ny fanamafisana ireo fefiloha marefo sy ny fanadiovana ny lakandrano C3 izay efa mandeha sy vita ny ampahany.
Tatiana A