Mpitondra tenin’ny governemanta : “Efa anaty zotram-pifidianana isika izao”

Nasongadin’ny minisitra sady mpitondra tenin’ny governemanta, i Lalatiana Rakotondrazafy, omaly, tao amin’ny fandaharana “Tsy ho tompon-trano mihono”, ny momba ny fifidianana.

“Mandresy lahatra ny Sadc ny sasany ny amin’ny hananganana governemanta iraisana fa tsy hanaovana fifidianana… Efa anaty zotra sy dingam-pifidianana isika izao. Hafa indray raha nisehoana krizy politika teto ka miditra an-tsehatra manelanelana ny Sadc…”, hoy izy. Nanteriny fa krizy sosialy sy toekarena no misy eto, iraisana amin’ny firenen-drehetra izany. Niantso fitoniana ny tenany na eo aza ireo hetsika fitakiana samihafa. Tahotry ny sasany ireny ary manao ny tsy hahatanteraka ny fifidianana, araka ny nambarany.
Noresahany koa ny mo­mba ny fitakian’ny mpanohitra momba ny hanatsarana ny lalàm-pifidianana. Notsiahiviny fa nanaiky ny hirotsaka ny filoha Rajoelina tamin’ilay lalàm-pifidianana nataon’ny Tim sy ny HVM ny taona 2018 ary tsy nitabataba. “Natrehina izany fa efa io ny lalàna eo. Izao anefa mimenomenona indray ireo mpanohitra”, hoy izy.
Ankoatra izany, tsy ekeny ny fitoraham-bato ny filoha isaky ny miseho ny olana. Na izany aza, tsy mitsoaka an­draikitra ny filoha, araka ny nambarany. “Anjarany ny fitantanana ankapobeny fa eo ireo ambaratongam-pitantanana ny raharaham-panjakana. Vo­nona hamaha ny olana hatrany ny filoha”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: