Leo fahoriana…hany ka be fahasahiana manao ratsy ny ankamaroan’ny olona. Sady nampitolagaga no nampihorona ny hodi-dohan’izay nanatri-maso ny zava-bitan’ ilay raim-pianakaviana ao Toamasina, afakomaly. Taiza no nisy olona sahy manapaka tanana an-kitsirano, imasom-bahoaka izany. Taratry ny fikorontanan-tsaina noho ny tahotra ny fiainana no mahatonga izany. Mazava ny nambarany fa matahotra izy ny hoaviny noho ny « mosavy » natao azy. Mosavy sa fery tsotra? Mbola mitsabo azy ny dokotera, manam-pahaizana.
Tari-dresaka hitondrana famakafakana roa samihafa izany. Voalohany, ny tsy fahazakan’ny olona ny sedram-piainana intsony. Kivy sy manary toky avy hatrany. Mahatonga ny fandraisana fanapahan-kevitra tsy voahevitra. Very ilay Malagasy mahari-pery sy mahazaka dona. Zary marefo ka mirona amin’ny vahaolana petatoko. Tsy afaka ny hahataka-davitra. Tsy azo ifanomezan-tsiny anefa ilay fihetsika satria tsy mifidy sokajin’olona intsony ny fikorontanan-tsaina.
Faharoan’izany, tsy maintsy asiana tsindrim-peo ny mahakasika ity resaka mosavy ity. Sarotra be ny miady hevitra amin’ny resa-pinoana. Manahirana ny hifanazava amin’ny hery miafina sy ny manodidina azy. Na izany na tsy izany, mila fahamailoana sy fitandremana be ny Malagasy tsirairay. Ataon’ny olona manana sain-dratsy fitaovana hitadiavam-bola sy hanambakana ny tsy fahalalana. Entin’ny hafa hangejana sy hanaovana taingim-bozona ny mpihinana ambolony ilay izy. Hany tsy afa-mandinika izay mety hahafaty na hamelona azy ny olona. Toa « voabado » faobe izany !
Vanim-potoana mila ijerena amin’ny antsipiriany ny fomba fiainana sy lafim-piainan’ny Malagasy izao. Anaty vela-pandriky ny ratsy tanteraka ilay fiarahamonina hany ka mitady ho « andevon’ny fiainana », mirona any amin’ ny famoizam-po, resy tsy miady.
r.r