Velakevitra – Soratra: « Mety ho levona ny talenta », hoy Ravorombato Ony

Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny « Famo­loana Telozoro” ilay velake­vitra hotontosain-dRavorom­bato Ony Lantoarimamy, nomena ny lohahevitra : « Ny fahalevonan’ny talenta eo amin’ny pôeta sy ny mpano­ratra ». Famelabelaran-kevitra hotanterahina ny 2 aogositra izao, ao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy. Tari-dresaka nataon’ity mpanoratra ity ny fanehoana fa misy ny talenta fa mety ho levona noho ny antony samihafa.
Nataony ho ohatra niaingana tamin’izany ny hoe : « ananana ny talenta mano­ratra, saingy, tsy nampisonga­dina azy firy izany. Naleony nitrandraka talenta hafa ta­haka ny hira. Io no ahazoany vola, laza… Levona ilay talenta manoratra ». Tranga hafa : « ananany ilay talenta. Tonga ny laza, ny vola, ny voninahitra… Saingy, tsy nihaino ny hafa intsony izy noho io toerana efa misy azy io. Raha misy ny fahadisoana any amin’ny teny, tsy ho voahitsy. Ny so­ratra anefa mila fanabea­zam-boho ny teny isan’andro. Mitarika any amin’ny fahalevonan’ny talenta ihany koa io toetra tsy mihaino ny hafa io », hoy hatrany Ravorombato Ony.
Marihina fa ankoatra ny maha mpampianatra mpa­nabe azy, mpanoratra koa Ravorombato Ony Lantoari­mamy. Anisan’ny ahafanta­rana azy ny tantara foronina, ny tantara fandefa amin’ny Radio.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: