Orange Solidarité : efitrano sekoly 44 ravan’ny rivodoza nohavaozina

Nohavaozin’ny Orange solidarité Madagascar ny sekoly 10 rava nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai, ny taona 2022, tao amin’ny distrikan’i Manakara sy i Mananjary. Vo­katr’izay, afaka manohy fianarana milamina ny mpianatra
4 000 satria afa-miasa indray ireo fotodrafitrasa ireo. An­koatra izay, lasa sekoly niomerika ny efatra amin’ireo 10 nohavaozina, tetikasa iarahana amin’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena. Naverina natsangana mihitsy ny vatantrano ary namboarina ny tafo miaraka amin’ny fametrahana toeram-pidiovana ho an’ny mpianatra. 44 ny efitranon-tsekoly nohatsaraina sy naorina niaraka amin’ny mpiasa 250 sy ny mponina avy eo an-toerana.
Hanatsara ny kalitaon’ny fampianarana ny fidirana amin’ ny fanabeazana niomerika miaraka amin’ny fitaovana sy mpanabe efa voaofana mialoha, hikirakirana ny fitaovana. Nan­kasitrahana nandritra ny fitokanana ny asa fanavaozana ny mpianatra dimy isanisany ta­min’ny sekoly 10 ka nisonga­dina tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC farany teo. Nanotrona ny hetsika ny tale jeneralin’ny Orange Mada­gascar, Fréderic Deborde sy ny filohan’ny fikambanana Orange solidarité, Arson Benja.

Vonjy

Partager sur: