Madagasikara-Burundi ary Djibouti: nifampizara traikefa momba ny fanabeazana

Ho fanatsarana ny fanabeazana fototra, nivory niaraka teto Madagasikara, nandritra ny dimy andro ny tomponandraikitry ny fampianarana malagasy sy avy any Burundi ary Djibouti. Telo amin’ireo firenena sahirana 90 tohanan’ny « Partenariat mondial pour l’éducation (PME) » ireo ka hametraka rafi-pampianarana mahomby ahazoan’ny ankizilahy sy vavy misitraka fanabeazana manana kalitao. Nifampizara traikefa ny telo tonta ka tanjona ny hanova ny rafi-pampianarana ho an’ny dimy taona manaraka miaraka amin’ny manam-pahaizana eo anivon’ny Institut international de la planification de l’éducation (IIEP). Madagasikara rahateo efa an-dalana hampihatra ny fa­navaozana ny rafi-pampianarana efa lany teny anivon’ny andrimpanjakana roa mpanao lalàna.
Nojerena manokana ny fa­na­vaozana maika hitondrana ny fa­natsarana tao anatin’ny fi­hao­nana ary nozaraina ny traikefa mahomby tany Côte d’Ivoire momba ny fifanarahana fiaraha-miasa ho an’ny fanabeazana azo raisina hatao maodely ho an’ny firenena tsirairay. Nano­trona ny fivoriana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena mala­gasy sy ny minisitry ny Fana­beazana avy any Burundi, professeur François Havyarimana.

Vonjy

Partager sur: