Nifarana omaly, ny hetsika fanaovam-baksiny miaro amin’ ny aretina poliomelita eto amintsika izay nanomboka ny talata lasa teo. 18 tapitrisa ny isan’ny olona (ankizy sy lehibe) heverina hisitraka ny vaksiny ho an’ny faritra efatra iantefany: Analamanga, Vakinankaratra, Atsimo Andrefana ary Alaotra Mangoro. Nosafidiana manokana ireo faritra ireo aloha satria nisongadina tamin’ny fanaraha-maso fa ambony ny tahan’ny fangerena ankalamanjana sy ny tay miparitaka amin’ireo ka mampirongatra ny aretina poliomelita, hoy ny nambaran’ny talen’ny fanaovam-baksiny ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. Homena ny ankizy latsaky ny 15 taona kosa ny vaksiny miaro amin’ny poliomelita ho an’ny faritra 19 hafa ambiny.
Hita fa nitombo ny isan’ny tranga vaovao amin’ny valanaretina poliomelita nanomboka ny volana septambre 2020. Nahatratra 287 no voatily ary tamin’ity taona ity ny 79 amin’ ireo. 45 ny tranga fahalemena tampoka ary ny roa niseho tamin’ny olon-dehibe ka nahatonga ny fanapahan-kevitra fa homena ny daholobe ny vaksiny amin’ity andiany ity. Sadaikatra ihany ny olona fa tsy nisy fampahafantarana mialoha fa hisitraka koa ny lehibe raha ny ankizy hatrany no nomena azy hatramin’izay. Tsy nisy fizarana vaovao ho an’ny isan-tokantrano toy ny teo aloha koa rehefa hanao hetsika fanaovam-baksiny faobe ho an’ity andiany ity.
Vonjy