Fitakiana ny fangaraharan’ny vola ampiasain’ny antoko mandritra ny fifidianana, fampitaovana ireo sampana mpanara-maso ny fampiasam-bola hanatanterahany ny asany… Ireo no anisan’ny tolo-kevitry ny Transparency International – Initiative Madagascar (TI-MG), teny Antaninarenina, ny faran’ny herinandro teo, ho an’ireo antoko politika sy izay ho kandidà amin’ny fifidianana 2023. Iadiana amin’ny kolikoly mandritra ny fifidianana ny tolo-kevitra. Mitobaka ny vola sy ny fizarana “tee shirt”, vola, fitaovana… Nefa fanodinkodinana safidim-bahoaka ny fanaovana izany. Fandaharanasa no tokony hampiadiana hampadio ny fifidianana.
Ny fanaraha-maso ny vola sy ny fanaovana fanadihadiana ny fiavian’izany no tena ataon’ny TI-MG. Avy eo, manao tatitra ny amin’izany. Efa natao izany tamin’ny fifidianana 2018. Hita fa tsy vonona hilaza izay niavian’ny vola ampiasainy ireo kandidà sy ny antoko politika. Nefa tokony ho fantatry ny olompirenena izay. Inona no takalon’ny vola ampiasaina raha misy?
Haroso ho an’ireo kandidà rehetra ny tolo-kevitra, tsy asiana fanavahana na iza na iza. Angatahin’ny TI-MG mazava sy ampahibemaso ary tsy miolanolana ny fampidirina izany ady amin’ny kolikoly izany isan-tsahanasa ao anatin’ny vinam-piarahamonina sy fandaharanasa politika rafetiny sy hotanterahiny, raha voafidy ny kandidà.
R. Nd.




