Anisan’ny fototra lehibe hamantarana ny momba ny olona na fiarahamonina na firenena iray ny fananana arsiva na tahiry. Ho an’ny Unesco, efa misy ny « Mémoire du Monde ». Ho an’i Madagasikara, efa tafiditra ao ny « Archives Royales ».
31 jolay 2009 – 31 jolay 2023. 14 taona omaly, ny naha voasoratra ny « Archives Royales » (tahiry taratasim-panjakana tamin’ny vanim-potoana faha mpanjaka), ao amin’ny « Mémoire du Monde” an’ny Unesco. Nisy ny hetsika notanterahin’ny Komitim-pirenena malagasy « Mémoire du Monde » niaraka tamin’ny Arsivam-pirenena malagasy ary ny Vaomieram-pirenena malagasy Unesco, omaly, nanamarihana io vanim-potoana io.
Fitsidihana ny Arsivam-pirenena malagasy etsy Tsaralalana. Fampahafantarana ny atao hoe «Archives Royales» sy ireo karazana tahiry misy eny an-toerana. Tafiditra ao anatin’ireo ny taratasim-panjakana fahiny toy ny filazana fahaterahana, fahafatesana, fanambadiana, ny fananganana na fanarian-jaza, fifanekena eo amin’ny raharaham-bola sy tany, sns. Taratasy efa tany amin’ny taona 1878 ka hatramin’ny taona 1898 izay notanterahina teo anatrehan’ny Sakaizam-bohitra. Hita eny an-toerana ihany koa ireo boky sy sary fahiny samihafa. Teo koa ny fampahafantarana ny Komitim-pirenena malagasy « Mémoire du Monde », izay nambaran’i Sahondra Sylvie Andriamihamina, talen’ny Arsivam-pirenena malagasy fa « ahitana ireo manana vakoka sy tahiry, na fanjakana na olon-tsotra ity komity ity. Misy mpikambana avokoa manerana ny Nosy. Tanjona, ny ahafantaran’ny olona ireo harena misy eto amin’ny firenena ».
Nitondra fanampiana lehibe ho an’ny Komitim-pirenena malagasy « Mémoire du Monde » ny Vaomieram-pirenena malagasy Unesco. Nametraka ny antontan-taratasy ao amin’ny rejistra iraisam-pirenena « Mémoire du Monde de l’Unesco ». Nanatanteraka fifanakalozana traikefa. Fampiasana fitaovana samihafa. Ny taom-piasana 2024-2025 no tokony hidiran’ny Komitim-pirenena malagasy « Mémoire du Monde » ao anatin’ity sehatra lehibe ity.
HaRy Razafindrakoto