Niaka-tsehatra voalohany ny Moustik Crew, omaly. Ekipa malagasy eo amin’ny hip hop, miady medaly aty Kinshasa, RDC, anatin’ny lalaon’ny Frankôfônia andiany fahasivy. Nampihoraka ny mpijery rehetra, na ny tompon-tanàna aza ny sehon-dry zalahy taizan’i Angeluc Rehava ireto. Andrandraina mafy, araka izany, ny hitondran’izy ireo medaly mody. Tafakatra hiatrika ny «battle», anio, ry Moustik Crew, izay sady dingan’ny famaranana ihany koa. Raraka teo amin’ny ampahefa-dalana kosa ny ekipan’ny Pi Freestyle, raha nifandona «battle » tamin’i Cameroun. Nitovy ny isa tamin’ny voalohany, ka niditra tamin’ny « battle » nataon’ny solontena iray avy isaky ny ekipa. Teo no naharesy ny ekipa Malagasy ka lasa laharana fahadimy isika. Tontosa omaly ihany koa ny fampahafantarana ireo nandrombaka ny medaly tamin’ny sokajy literatiora. Tsy anisan’ireo niakatra podium anefa i Narda Natioranomena, solontena malagasy.
Zo ny Aina