Vovonan’ny firaisamonim-pirenena HINA : hitohy ny fitondrana vahaolana mandritra ny hamehana

Manana vina roa goavana ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena misehatra ho an’ny fanjarian-tsakafo (HINA), mandritra ny telo taona ho avy. Zava-dehibe ny fanetsehana ny loharano olona sy vola hanatanterahana ny asa eny ifotony.

Hitohy ho an’ny telo taona manaraka handraisan’ny mpikambana vaovao ao amin’ny Vo­vonan’ny firaisamonim-pirenena misehatra ho an’ny fanjarian-tsakafo (HINA) ny fitantanana ny fitondrana vahaolana mandritra ny hamehana toy ny natao tany amin’ny distrikan’i Manakara sy Ampanihy, ta­min’ity taona ity, hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny HINA, Hantarinivo Faniry, omaly, teny Andrainarivo. Nizara sakafo ho an’ny tokantrano sahirana ny mpikambana nanomboka ny taona 2021 rehefa namely ny hanoanana vokatry ny haintany sy ny tondradrano. Manampy ireo ny fanatsarana ny fahazoana rano madio sy misitraka fahadiovana. Mbola ao anatin’ny vina koa ny fanohizana ny haitaky amin’ny fametrahana ho laharam-pahamehana ny fanjarian-tsakafo ka hampiakarana ny sora-bola hampiasaina mifandraika amin’izay.
Hivelatra kokoa ny toerana hiasana ka hiezaka hipaka hatrany amin’ny fokontany ny Vovonana sy ny asany. Mahatratra 39,8% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ho an’ny sehatra nasionaly ary ny aty afovoantany no ambony ny taha nefa toerana mamokatra sakafo maro. Hohamafisina, noho izany, ny fanentanana amin’ny fanatsarana ny sakafo andavanandro miaraka amin’ny vokatra misy eo sy ny fanodinana ireo vo­katra ho azo tehirizina. Tsy miala amin’ny drafitrasa vaovao niarahana nametraka tamin’ny fanjakana malagasy ny firaisamonim-pirenena HINA fa kosa hamolavola paikady hiaingana amin’ireo vina roa hifotoran’ny asan’ny mpikambana 578 amin’ny faritra 23.
Fito mianadahy no mpikambana vaovao amin’ny filankevim-pitantanana izay nivory namaritra ny sahanasa himasoana ho an’ny telo taona hoavy.

Vonjy A.

Partager sur: