Notanterahina tao amin’ny efitranon’ny orinasa Telma Andraharo ny lanonana andiany faha-10, fizarana taratasy fanamarinana ny fahavitan’ny fiofanana sy ho fankasitrahana an’ireo mpilatsaka an-tsitrapo izay nofanin’ny «Teach For Madagascar» (TFM). Miisa 50 mianadahy izy ireo no nahazo ny mari-pankasitrahana rehefa nanaraka ny fiofanana tamin’ny fandaharam-potoana «Taly Corps», «Diary Nofy» ary «Kolo Vakana Jary», nandritra ny 30 ka hatramin’ny 90 andro. Ny faritanin’i Mahajanga, Fianarantsoa, Toliara, Antananarivo sy ny distrikan’i Morombe ary Ranomafana no nosafidina hanaovana ny asa fanohanana ary nirotsaka teny anivon’ny fiarahamonina any an-toerana izy ireo tamin’ny fanatontosana ny asany. Sekoly 42 isa no nisitraka ireo tohana ara-panabeazana ka 60 amin’ireo mpampianatra FRAM ary 2 000 ny mpianatra.
Mitohy hatrany ny tantsoroka omen’ireo avy amin’ny «Teach For Madagascar» ary mbola hanofana tanora maro ao anatin’ny fandaharam-potoana ho fanohanana sy fampandrosoana ny lafiny fanabeazana eto Madagasikara izy ireo.
Vonjy




