Nifarana ny zoma faha-28 jolay teo ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea, Toamasina I, ho an’ny fampianarana ankapobeny tetsy amin’ny Lisea Jacques Rabemananjara. Efa miditra amin’ny fampidirana ireo naoty anaty solosaina ny tomponandraikitra ary mbola hisy fanamarinana farany. Raha ny teo amin’ny taranja Tantara sy Jeografia izay ahitana taratasim-panadinana roa, samy noraisina sy notsaraina avokoa ny taratasim-panadinan’ny mpiadina ka izay naoty tsara indrindra no horaisina, hoy ny fanazavan’ny mpitsara.
Ho an’ny fampianarana teknika kosa, vao ny alatsinainy 31 jolay teo no nanomboka ny fotoam-pitsarana ny taratasim-panadinana izay mbola ao amin’ny Lisea Jacques Rabemananjara ihany, hoy ny nambaran’ny filohan’ny oniversiten’ i Toamasina, dokotera Razanakolona Diny. Vinavinaina ny faha-17 aogositra ho avy izao ny fandinihana ny naoty farany ambany raisina ary mitohy amin’ny famoahana vokam-panadinana izany, hoy hatrany ity mpitantana voalohany ny oniversiten’i Toamasina ity, omaly.
31 783 ny isan’ny mpiadina ho an’ny faritanin’i Toamasina, nitombo 5,29% ho an’ity taona ity raha mitaha ny tamin’ny taona 2022. Ho an’ny sampana teknika, 1 572 ny isan’ny mpiadina niatrika ny bakalorea. 30 211 kosa ny nisafidy ny fampianarana ankapobeny, hoy ny fanazavana azo. Efa miandry fatratra ny valim-panadinana ny rehetra.
Sajo




