Kly Andrianarivo Rianatsiory : “Efa tsapa ny fihenan’ny tsy fandriam­pahalemana eto Menabe…”

“Tsy ho voafehy zato isan-jato ny tsy fandriampahalemana saingy efa tsapa kosa ny fihenan’izany eto Menabe…”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria Menabe, ny Kly Andrianarivo Rianatsiory.

Azo lazaina fa milamina! Toerana anisan’ny ma­hasarika mpizahatany maro i Morondava, faritra Me­nabe. Ho an’ireo hitsidika ny tsingin’i Bemaraha dia lalana andalovana mihazo izany ny renivohitry ny faritra Mena­be. Manoloana izany fahamaroan’ny mpizahatany izany, so­mary nanano sarotra ny tsy fandriampahalemana miainga avy eo Morondava mihazo an’i Bekopaka. Nisy, araka izany, ny paikady napetraky ny eo anivon’ny vondron-tobim-pi­leovan’ny zandarimaria, tamin’ny alalan’ny fanarahana zandary miainga avy eo Belo- Tsiribihina. “Nanana olana tokoa ny lafiny fizahantany teo aloha. Nisy fiaraha-miasa ma­totra teo anivon’ny sampandraharaham-paritra misahana ny Fizahantany nijerena va­haolana momba izany. Tohizana izany hatramin’izao”, hoy hatrany ny Kly Andrianarivo Rianatsiory. Nohamafisin’ity manamboninahitra ambony ity fa nisy ny fijerena manokana ny fanamafisana ny fandriampahalemana amin’ny sisintany manasaraka an’i Melaky sy Menabe. “Efa tsapa ny fihenan’ny tsy fandriampahalemana eto Menabe. Manodidina ny 5000 sahady ny mpizahatany efa tonga ao Morondava raha ny tatitra nampitain’ny eo anivon’ny sampandraharaham-paritra misahana ny fizahantany”, hoy hatrany izy. Misy koa ny Diabe tao Mahabo, izany hoe, Kalony 76 hatramin’ny 250 mifanome tanana amin’ny zandary sy ny Tafika mba hanakanana ny asa ratsin’ireo dahalo. Tombony ho an’ny faritra Menabe koa ny fananany Centre spécial d’aguer­rissement opérationnel (CSAO) roa.

Jean Claude

Partager sur: