Boriborintany V : 50 ireo ankizy nahazo fampianarana kabary sy kilalao malagasy

Nisokatra omaly alarobia ny andiany voalohany amin’ny fampianarana kabary sy kilalao malagasy eny anivon’ny boriborintany enina eto Anta­na­narivo. Hetsika karakarain’ny Fitaleavana misahana ny haikanto, kolon­tsaina ary ny fiainam-piarahamonina eo anivon’ny CUA sy ny Manda mpikabary. Tilina sy andrasana amin’izany, ireo ankizy latsaky ny 15 taona. Tonga maro ireo ankizy nandritra ny fa­nombohana raha ny zava-nisy teny anivon’ny boriborintany. Nahatra­tra 50 ireo ankizy tonga na­natrika izany ho an’ ny teny anivon’ny boriborintany fahaefatra manokana. Tsy hijanona ho an’ny ankizy ihany ny hetsika fa hisitraka izany koa ireo olon-dehibe. Hanomboka ny sabotsy sy ny alahady hoavy izao, eny amin’ny boriborintany ihany. Tanjona ny hampiroborobo ny vaky boky sy ny kolontsaina malagasy, raha ny fanazavana. Mbola mitohy ny fisoratana anarana eny anivon’ny tranom-boky anatin’ny boriborintany rehetra ho an’ireo te hisitraka ny fampianarana.

Mino

Partager sur: