Tonga nankahery ireo atleta malagasy handray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy 2023 hatao eto amintsika ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa sy ny minisitry ny Asa vaventy, ny Kly Ndriamihaja Andrianatrehina Livah ary ny minisitry ny Asa tanana sy ny haitao, Ratsiraka Sophie. Ireto minisitra ireto no mpiahy ny taranja tenisy sy ny tenisy ambony latabatra. Nanome tantsoroka ireo atleta sy mpanazatra ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta ho fandraisana anjara hiatrehan’izy ireo izany fifaninanana goavana izany. Nankasitraka tamin’ny fanohanana nataon’ny fanjakana ireto tanora ireto ny mpanazatra ireo vehivavy, Tiana Ratsimbazafy sy ny mpanazatra ireo lehilahy, Ranarison Narcisse. Nanome toky izy ireo fa hanao izay faraheriny hanandratra avo ny anaran’i Madagasikara.
Jean Claude