Mikorontana tanteraka ny fifamoivoizana eto an-drenivohitr’i Toamasina, ateraky ny fitomboan’ny olona sy fiara noho ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana (Asief).
Tsy tambo isaina ny lozam-pifamoivoizana raha tsy hilaza afa-tsy ny bajaj nandona polisy nitondra moto tetsy amin’ny “rond point” Morafeno, ny alin’ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny 7 ora sy 10 minitra. Miaramila mamo ary nitonona ho mpiasa anivon’ny primatiora sy presidensa ny tao anatin’ ilay bajaj. Nandritra izany, tsy nifandrenesana ny teny ratsy sy ompa variraraka nahazo an’ilay polisy izay efa simba moto sy ireo olona nanatrika teo. Saika nitarika fitsaram-bahoaka ny raharaha satria efa nisy nikasa handoro ilay bajaj raha tsy tonga ara-potoana ny polisin’ny Fip. Notanana ao amin’ny tobin’ny Tafika “CIS” etsy Barikadimy ireo miaramila nanao fahadisoana, raha mbola miandry ny fampiakarana azy etsy amin’ny fampanoavana, fitsarana ambaratonga voalohany, koa ilay mpamily ny bajaj. Ity farany izay ampangaina noho ny fanaovana taingimbe, familiana anatina hamamoana.
Tsy voahaja ny naotin’ny prefe
Fa ankilany, namoaka naoty ny prefektiora Toamasina, Ambinintsoa Jean José, ny tsy tokony hisian’ny fiara kamiao mihoatra ny 10 taonina hivezivezy manerana ny tanàna, ny fanaovana aroloha ho an’ny mpitondra moto. Tsy misy voahaja ireo rehetra ireo fa samy manao izay saim-pantany ny mpampiasa lalana. Ao anatin’ny 30 mn, ohatra, efa mahita kamiao mihoatra ny folo mandalo ary mpitondra moto tsy manao aroloha tsy latsaky ny 30. Vokany, mikorontana tanteraka ny fifamoivoizana ao an-drenivohitr’i Toamasina.
Sajo