Miantoka ny fahombiazan’ny taom-pianarana ampian’ny fitiavan’ny ray aman-dreny ny vaninandro fidirana. Mitondra torohevitra ny mpanolotsaina pedagojika.
“Mila fanomanana ara-tsaina ny fidiran’ny mpianatra sambany handia sekoly”, hoy ny mpanolotsaina pedagojika sady “psychothérapeute”, Rasoanindrina Marguerite, omaly. 6 taona no tokony hiditra hianatra ny zaza fa fanazarana sy famohazana ny vavahadintsaina ny alohan’izay. Ho an’ireo sambany vao hianatra, hatao volana maromaro alohan’ny fotoam-pidirana ny fanomanana ara-tsaina. Seha-piainana roa samy hafa no andalovan’ilay zaza manomboka amin’io vanim-potoana io. Voalohany ny ankohonana misy ireo olon-tiany rehetra sy ny fomba fiainana ary ny fitaovana sy ny endriky ny trano mahazatra. Faharoa ny sekoly sy ny fitsipika ao aminy, ny endriky ny toerana, ny reny izay hosoloin’ny mpanabe ary ny iray tampo hosoloin’ireo ankizy mpiara-mianatra tsy mbola mahazatra azy.
Tokony hotanisaina amin’ ilay zaza ny tsara rehetra any an-tsekoly hananany faniriana hanohy izany toerana izany am-pitokisana. Araka izany, efa tokony ho nifanerasera mialoha tamin’ny sekoly hampidirana azy izy mialoha ny andro idirany voalohany.
Mandritra ny andro voalohany, mety hifoha alohan’ny fotoana mahazatra azy izy ka mety tsy hazoto homana. Tsy tokony hampiahiahy ny ray aman-dreny izany fa ny fanampin-tsakafo (goûter) no atao matanjaka. Aterina any an-dakilasy mihitsy izy ary hampahafantarina amin’ny mpanabe hisahana ny kilasiny. Mila hilazana izy fa ho avy hitsena azy ny olona iray amin’ny fianakaviana rehefa mirava.
Rehefa tonga any an-trano, ilaina ny manara-maso akaiky ny fianarany sy ny zavatra ataony rehetra any am-pianarana ka hanana antoka izy fa manohana azy hatrany ny ray aman-dreny.
Vonjy A