Fitantanana ny loza : navondrona ny tanora, ny fiarahamonina sivily

Nisy hetsika fanatanjahantena sy kolontsaina ary ara-piarahamonina natao hampivondronana ny tanora sy ny firaisamonim-pirenena. Misy fikambanam-behivavy maro isan-tsokajiny. Nampiana fanentanana hifanomezana tanana sy hampandraisana anjara ny tsirairay amin’ny andraikitra eny ifotony mikasika ny fiarenana taorian’ny fandalovan’ireo rivodoza nifanesy tamin’ny taom-pahavaratra 2021 ka hatramin’ny 2023 ny hetsika rehetra.
Tanjon’ny fikarakarana ny hanomezana lanja ny asa tokony ho vita sy efa ataon’ny tanora sy ireo fikambanam-behivavy ary ny fikambanana ara-drazana hanome tantsoroka amin’ny ezaka fiarenana sy asa fanarenana ny faritra Vatovavy nisedra ny vokadratsin’ny fandalovan’ireo rivodoza maro. Nentina nanamafisana ny fandraisana andraikitry ny tsirairay hahatsara ny kalitaon’ny vokatra azo ny fifaninanana. Hetsika manan-danja eo amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza no natomboka teo ambany fitarihan’ny sampandraharaham-paritry ny Mponina, sy ny sampandraharaham-paritry ny Tanora ao amin’ny faritra Vatovavy.

Vonjy

Partager sur: