Nifanome fotoana, niaraka nianoka ny hiran’i Nanie, ireo mpankafy azy. Seho miavaka sy mendrika ny faha-30 taona nihirana no natolotr’i Nanie ny mpijery tonga teny amin’ny CCEsca, omaly.
Tontosa omaly, teny
amin’ny CCEsca Antanimena, ny fampisehoana niarahana tamin’i Nanie. Seho nankalazana ny faha-30 taona niakaran’ity mpanakanto ity an-tsehatra. Mpanakanto maro samihafa no nanotrona azy tamin’izany, indrindra ireo efa niray sehatra taminy hatrizay. Matihanina sy avo lenta tanteraka ny fampisehoana ary mendrika izany fankalazana izany. “Mahafinaritra hatrany ny mihira, indrindra rehefa miaraka amin’ny namana sy ny mpankafy sahala amin’izao”, hoy Razafimbelo Hanitra Annie, fantatra amin’ny anarana entiny miantsehatra hoe Nanie.
Tafaray indray ny tia sy ny manina. Tafaraka indray i Nanie sy ireo niara-nikalo taminy hatrizay ary ny mpankafy azy. Faha-30 taona nihiran’i Nanie no nankalazaina, eo ihany koa ny fiverenany an-tsehatra taorian’ny taona maro tsy nahitana azy teny an-tsehatra. Nandravaka izany fampisehoana fankalazana izany i Rija Ramanantoanina, Luc, Lalie, Eric Tahiana ary Manoa. Niray fo nankalaza izany faha-30 taona izany ireto mpanakanto ireto, izay tsy hafa fa efa niray sehatra tamin’i Nanie hatramin’izay ihany. Nanome fahafinaretana ny mpankafy sy mpijery tonga teny, tamin’ny hira niarahany tamin’i Nanie, izy ireo. Nisy koa anefa ny fotoana nanaovan’izy ireo ny hirany manokana, nanomezana endrika ny fampisehoana. Nibahan-toerana kosa anefa ny hiran’i Nanie, amin’ny maha tompon’ny fety azy.
Nanome ny miavaka sy ny tsara indrindra avy aminy i Nanie, nandritra ny fampisehoana. Ren’ny mpankafy tao avokoa ireo hira nanamarika teny an-tsehatra. Anisan’izany ny “Hir’aina”, “Ngidy”, “Nofiko”… “Tsy mijanona ary tsy hijanona ny hira sy ny kanto fa vonona hatrany hitondra ny tsara ho an’ny mpankafy…” hoy i Nanie.
Lin M.