Fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny ONG Douleur Sans Frontières ( DSF) ny hetsika vaovao manaja ny maha olona, mikendry ny fanatsarana ny fiainan’ny vehivavy voafonja. Tanjon’ny fifanarahana ny hanomezana fiofanana momba ny fanjairana, indrindra ny akanjo tohitena, pataloha ary salaka ho an’ny vehivavy azo sasana aorian’ny fampiasana azy mandritra ny fadimbolana eny anivon’ny fonja efatra: Antanimora, Antsiranana, Mananjary ary Manakara, ao anatin’ny fampiharana ny tetikasa «Mikolo Aina».
Ny tetikasa dia mikendry ny fikarakarana ara-pahasalamana ho an’ireo voafonja sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpandraharahan’ ny fonja. Iray amin’ireo tetikasa fanohanana telo ao anatin’ny fandaharanasa Fanarenana, vatsian’ny «Agence française de développement (AFD)». Tomponandraikitra amin’ny fampiharana azy ny minisiteran’ny Fitsarana.
Hametraka fandaharam-piofanana arakasa mifanaraka amin’ny filàn’ny voafonja ny roa tonta izay mampihatra ny fomba fiasa mampiaty. Mikendry ny hanome azy ireo fahaiza-manao vaovao ahafahany mioitra amin’ny fiainana sy miverina indray eny anivon’ny fiarahamonina aorian’ny fivoahana ny fonja ny fiofanana hatolotra. Notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo ny fanaovan-tsonia teo amin’ny minisitra tomponandraikitry ny Fampianarana teknika, Vavitsara Rahantanirina Gabriella, sy ny Tale nasionalin’ny ONG DSF, Jeanne Vignes.
Vonjy




