CUA : nanadio sy nanala ny fako eto an-drenivohitra

Nesorina ireo fako mitoby eny amin’ny boriborintany eto Antananarivo. Nisahana izany ny SMA.

Nodiovina sy nesorina avokoa ny fako teo anivon’ny boriborintany re­hetra eto Antananarivo Reni­vohitra, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nanatanteraka izany ny teo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fanadiovana ny fako (SMA). Nohe­tsehina avokoa ireo kamiao 21, izay nahavita asa fitaterana fako teo amin’ny fihodinana inefatra sy indimy teo ny tsirairay avy tamin’izany. Nahavita fihodinana 30 ireo kamiao nanao “opération coup de poing”. Nahatratra sy nahavita hatramin’ny 472,39 t izy ireo tao anatin’izay. Manodi­dina ny 114 ireo olona nahetsika nanao ny fanadiovana. Voakasiky ny fanadiovana ny teny Ambatolampy, Ambohi­ma­narina tsena sy Ambo­hi­manarina Anosisoa ho an’ny eo anivon’ny boriborintany fahenina. Natao teny Am­pa­tsakana, Ampefiloha (ex mini-market) ary Andavamamba ny eo anivon’ny boriborintany voalohany. Teo Andravoa­han­gy sy Ambodivona kosa izany ho an’ny boriborintany fahatelo. Nahazo tombony betsaka indrindra tamin’ny hetsika ny boriborintany fahadimy teny Amboditsiry. Teny Anosibe kosa ho an’ny boriborintany fahefatra. Nampahatsiahy ny CUA fa manomboka amin’ny 4 ora hatramin’ny 8 ora alina ny fotoana fanariam-pako.

Mino

Partager sur: