Nosokafana, omaly, tao amin’ny Ivokolo Analakely ny fampisehoana voalohany amin’ny « Jazz@Tohatohabato ». Ireo kilonga voasokajy ao anatin’ny « Jazz Kids » no nanatanteraka izany.
Nitendry ny vatamaroafitsoka i Mamy Robinson. Ny zanany vavy no nihira ny « Manin-te hody ». Niakatra ny sehatra ry zareo ao amin’ny Jazz Club CGM, tazana teny an-toerana i Pépé, iray amin’ireo fototra nitsimohan’io seha-pifanakalozana io. Tsy nanalavitra azy teo ihany koa i Fanja Andriamanantena. Tonga nijery ny mpianany ihany koa i Mendrika Rasolomahatratra… Notronin’ny andrarezin’ny jazz ireo kilonga manan-talenta.
Io endrika fifanotronana io no tazana tamin’ireo kanto natolotry ny kilonga sy ny tanora teny an-tsehatra. Niara-niombom-peo ireo nanatrika teny an-toerana : « mahay milalao jazz ny Malagasy. Nahatafita lesona, nahatafavoaka talenta vao maro, ireo zoky » ! Vao mainka nampisongadina ny talentan’ireto ankizy sy tanora mpilalao jazz ireto ny nitendren’izy ireo ny sanganasana mpamorona vahiny. Hain’izy ireo ny namoaka izany tsy nisy tomika.
Manampy betsaka ny teknolojia
« Mahay jazz ny Malagasy », hoy ny vahiny tonga teny amin’ ny Ivokolo Analakely, omaly. « Anisan’ny manampy betsaka ny talentan’ny Malagasy amin’ny filalaovana ny jazz ny teknolojia amin’izao fotoana », hoy i Karl, mpitendry gitara ao amin’ny tarika Mamy Robinson. Nambarany tamin’izany fa : « misy fampianarana jazz, tsara any anatin’ireny tambajotran-tserasera ireny. Tia mikaroka sy manatevim-pahalalana ny ankizy sy ny tanora malagasy. Ny talenta rahateo efa ao aminy ». Antony iray ahafahezan’ny kilonga sy ny tanora malagasy ny jazz io.
Anio kosa no hanatanterahina ny « Jazz VIP ». Rahampitso ny « Jazz Quartier », miainga eo Analakely mihazo an’i Sabotsy Namehana.
HaRy Razafindrakoto