Tontosa, omaly, teny Ambanidia, tao amin’ny boriborintany faharoa ny hetsika, « Lecture en rire”. Hetsika karakarain’ny fikambanana Be Tige sy ny Gasy Stand-Uppers, miaraka amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny DACVC. Vaky boky nolaroina hatsikana niarahana tamin’ny mpanao hatsikana ao amin’ny Be Tige sy Gasy Stand Uppers ny hetsika raha tsiahivina. Miray vina ireto mpikarakara ireto amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina. Eo ihany koa ny fanabeazana sy fampianarana ao anatin’ny fialamboly sy kilalao.
Anjaran’ny teny amin’ny boriborintany faharoa indray ny nandray ny « Lecture en rire », taorian’ny nandraisan’ny boriborintany voalohany, iray volana lasa izay. Nampiavaka ny hetsika, omaly, ny
fandraisan’anjaran’ny Gasy Stand Uppers, raha ny mpikambana teo anivon’ny Be Tige fotsiny no nandray anjara teo aloha. Vaky boky nolaroina “Sketch” sy “Stand Up”, niaraka tamin’ny lalao sy fanentanana maro no nameno ny fotoana niarahana. Nisokatra ho an’ny rehetra ihany koa ny sehatra, ary maro ny maniry hiditra sy vao misandratra eo amin’ny fanaovana hatsikana no nandray anjara.
Hitohy eny amin’ny boriborintany fahatelo, eto Antananarivo, ny hetsika amin’ny volana manaraka, vina ny hanatsarana hatrany ny hetsika mba hanatrarana ny tanjona napetraka.
Lin M.