“Tsy marina velively ny filazana fa misy olona telo tapitrisa vao nahazo kara-panondro nampidirin’ny Ceni ao anatin’ny lisi-pifidianana fotsiny amin’izao”, hoy ny talen’ny kabinetran’ny Ceni, Andriamifidy Jean-Louis, teny Alarobia, afakomaly, momba ny filazan’ ny sasany ny fampidirana olona ao anatin’ny lisitry ny mpifidy fotsiny amin’izao.
Mahatratra 250 749 ireo tanora vao feno 18 taona ka nahazo kara-panondro. 500 241 ireo feno 18 taona fa tsy mbola nanana kara-panondro hatramin’izay. Nandritra ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy izy ireo no nanao kara-panondro; taorian’izay, nampidirina tao anatin’ny lisitry ny mpifidy. 504 461 ireo nanaovana kopia nahaterahana ary nanaovana kara-panondro. Mahatratra 1 254 451 mpifidy ny fitambaran’izay telo izay.
Tsy tonga dia nosoratana ireo olona ireo, fa nampidirina tao anatin’ny takelaka fanisana mpifidy. Midika izany fa an-tsitrapo no nidirany tao anatin’ny lisi-pifidianana, fa tsy amboletra na tonga dia nampidirina avy hatrany.
R. Nd.




