“Tsy mety eto amin’ny tany sy ny fanjakana intsony ny fiaraha-mitantana, telo volana mialoha ny fifidianana filohan’ ny Repoblika”, hoy ny loholona sady filohan’ny Ifi, Ramanambitana Richard, momba ny toe-draharaham-pirenena. Izay fiaraha-mitantana izay no hanimbana ny asa tsara vitan’ny fitondrana. Mbola hahavitan’ny fitondram-panjakana zavatra tsara ho an’ny vahoaka izany telo volana mialoha ny fifidianana izany. Mba hahafantaran’ny vahoaka fa tena miasa ny fitondram-panjakana.
Ny hampandemy ny fitondram-panjakana no fomba fanoherana misy amin’izao. Eo koa ny fanimbana ny sain’ ny vahoaka efa tena liana amin’ny fampandrosoana, hita taratra eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Ny mpanohitra ao anatin’ny fitadiavana fiaraha-mitantana telo volana mialoha ny fifidianana filohan’ny Repoblika, tsy mijery afa-tsy ny tombontsoan’ny tenany sy ny toerana eritreretiny ho azo ao anatin’ny fotoana fohy.
“Aoka mba hipetraka amin’ ny fihavanana sy ny soatoavina maha Malagasy hatrany isika. Miandry ary tena hanaja Lalàmpanorenana. Hifarana ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ ny Repoblika, ary hiatrika fifidianana filohan’ny Repoblika isika”, hoy izy. Amin’ny fifidianana ihany no hahazoana mitsara izay ho mpitondra hahazoana mivoaka amin’ny fahantrana sy hitondra ho amin’ny fampandrosoana.
R. Nd.




