Hanomboka anio ny fizarana fisotroan-dronono ho an’ ireo zokiolona eto Analamanga ho amin’ity volana aogositra ity eny anivon’ireo Perceptions Principales sy ny TMA ary ny TPIC.
Ho an’ireo mpisitraka manana laharana miafara amin’ ny 0-1-2 no mandray ho an’ny anio alakamisy 10 aogositra. Anjaran’ny manana laharana miafara amin’ny 3-4-5 kosa rahampitso zoma.
Miato izany ho an’ny faran’ ny herinandro fa miverina avy hatrany kosa ny alatsinainy. Ireo manana laharana miafara amin’ny 6-7-8-9 no mandray ny alatsinainy 14 aogositra.
Ny miafara amin’ny A-B-C-D-E indray ny alarobia.
Manomboka alakamisy 17 aogositra kosa no mandray ireo izay mitondra “procuration” sy ireo taraiky tamin’ny tetiandro efa nalamina.
Eny amin’ny PGA ( Paierie générale d’Antananarivo) sy ny RGA (Recette générale d’Antananarivo) eny Antaninarenina kosa dia ireo manana laharana miafarana amin’ny 0- 1- 2- 3- 4 no maka ny anjarany anio. Ny miafara amin’ny 5-6-7-8-9 kosa rahampitso. Ny miafara amin’ny A- B- C-D-E no mandray ny vola fisotroandronono ny alatsinainy 14 aogositra.
Manomboka ny alarobia 16 aogositra kosa no mandray izany ireo mitondra “procuration” sy ireo taraiky.
Tatiana A