Hanao tombana ny taom-pianarana 2022-2023 ny tomponandraikitra ny 14-25 aogositra. Hahitana ny ekipan’ny fari-piadidiam-pampianarana sy ny talen-tsekoly ary ny mpanolotsaina pedagojika izany. Aorian’izay no handrafitra paikady hanarenana ny lesoka rehetra hita.
Nanamafy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ny fanambarana nataon’ny sekretera jeneraliny, Rabenandrasana Teophil, fa tsy andoavam-bola ny fisoratana anarana eny amin’ny sekolim-panjakana EPP-CEG sy lycée manerana ny Nosy sy ny fisoratana anarana handray anjara amin’ny fanadinam-panjakana. Efa misy naoty navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena kosa, ny taona 2021, fa afaka mampandray anjara ny ray aman-dreny amin’ny fandaniana samihafa any an-tsekoly, araka ny tapaky ny fivorian’izy ireo miaraka amin’ny Farimbon’ ezaka ho fahombiazan’ny fanabeazana eny ifotony (FEFFI). Andraikitry ny FEFFI rahateo ny mitantana ny fotodrafitrasa sy ny vola ary ny fitaovana any an-tsekoly. Efa nanomboka ny 17 jolay lasa teo ny fisoratana anarana ary hifarana anio ny ho an’ny kilasy 6ème sy 2nde. Mbola hisy lisitra faharoa hivoaka ho an’ireo afaka tamin’ny fifaninanana hidirana kilasy 6ème sy 2nde manomboka ny 14 aogositra hatramin’ny 1 septambra ho avy izao ary hitohy hatramin’ny 25 aogositra ny fandraisana ny fisoratana anarana.
Vonjy A.