“Mety misy mitady fomba hafa hisakanana ny fifidianana. Nefa tsy izay tiana na tsy tian’ny antoko politika no tanterahina, fa izay voalazan’ny Lalàmpanorenana ary izay hahasoa ny firenena sy ny vahoaka”, hoy ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard Victor.
Tsy ny filam-banin’ny antoko politika no tanterahina eto. Misy mitady governemanta iraisana hiatrehana fifidianana.
Filam-baniny ny filazana fa tsy mbola vonona amin’ny fifidianana ny fitondram-panjakana. Narahina ny sitrapon’ireo mpisehatra politika. Notakin-dry zareo ny hahatongavan’ireo mpanara-maso avy any ivelany ary tonga teto. Nilaza ireo iraky ny Sadc fa tsy nisy olana ny dian-dry zareo. Matoa mbola misy mitady zavatra hafa ny sasany, mitory tsy fahavononana amin’ny fifidianana izany. Misy ireo diso kajy. Fanaraha-maso ny dian’ny iraky ny Sadc. Tsy mitsabaka amin’ny lalàna ry zareo. Diso raha nisy nangataka tamin’ny Sadc ireo mpanao politika hoe hanakana kandidà tsy hahazo hirotsa-kofidina. Tsy fahefan’ny Sadc ny hanakana kandidà hirotsaka na tsia. Ny lalàna no mametra ny fahazoana mirotsa-kofidina na tsia.
R. Nd.




