Cua- Fokontany Ankasina : 500 ireo nisitraka ny “fahasalamana manakaiky vahoaka”

Mitohy hatrany ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka, karakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nanomboka ny Talata teo ary hifarana anio ny hetsika ho an’ny mponina eny amin’ny fokontany Ankasina, eo anivon’ny boriborintany voalohany.
Nisitraka izany ireo mponina 500 eny anivon’ny boriborintany, hatramin’ny omaly, raha ny tatitra voaray teny an-toerana. Nahitana fizaham-pahasalamana maro samihafa nandritra izany. Anisany ny fizaham-pahasalamana ankapobeny, fanomezana fanafody, fijerena maso, fandrindram-piterahana, fandanjana zaza, fanomezana odin-kankana… Nahatratra 50 000 ireo nisitraka ny hetsika hatramin’izay nisiany nanerana ny boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Fokontany 186 ireo nandray sy nisitraka izany tao anatin’ny boriborintany rehetra. Tsy hijanona hatreo fa hitohy eny amin’ny boriborintany faharoa indray ny hetsika ara-pahasalamana manaraka.

Mino

Partager sur: