MMM tao Ambohimiadana Andramasina: “Mandringa ny fampandrosoana isam-paritra”

Nitohy tany Ambohimiada­na Andramasina ny fihaonan’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo amin’ny vahoaka. Voaresaka tamin’izany ny fitsinjaram-pahefana sy ny fifidianana.
Nambaran’ity kandidà fi­lo­ham-pirenena ity fa miankina betsaka amin’ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy no ahafahana mitondra fampandrosoana ny firenena. Anisan’ izany ny fanabeazana, ny fam­bolena sy ny fiompiana ho amin’ny fampandrosoana ny isaky ny kaominina. Nahitsin’ ny mpitarika ny MMM fa tsy mipetraka araka ny tokony ho izy ny fanomezana fahefana ny rafitra isan-tokony. “Tokony hi­teraka fampandrosoana izany kanefa mandringa izany amin’ izao fotoana izao. Toko­ny omena fahefana manomboka ny fotoam-piasana ny olona tsirairay vao miteraka fampandrosoana fa tsy aty amin’ny faran’ny fotoam-piasana tahaka izao”, hoy ihany izy.
Nambaran’ny solontenan’ny mponina fa tena mikatso tanteraka ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-bahoaka amin’izao fotoana izao.
Etsy andaniny, nambaran’ny kandidà Andrianainarivelo Hajo fa ho hentitra amin’ny fa­naraha-maso ny firotsahan-ko­fidiana ny antoko ary hijery akai­ky ireo mpitsara ho sahy hanao sonia ny « Certificat de nationalité malagasy » ho an-dRajoelina Andry. Anisan’ireo antontan-taratasy tsy maintsy ilaina amin’ny fahafahana mi­rotsaka hofidina ho filoham-pirenena izany. “Tsy tokony hangina manoloana ity toe-javamisy ity ny olom-pirenena rehetra. Aoka isika ho saropiaro amin’ny fiandrianam-pirenena ary tokony ho resaka tsy vita io. Tsy azo ampanginina fotsiny amin’izao, raha tsy misy ny fe­petra na sazy mihatra mom­ba ny fananan’ny filoha zom-pirenena vahiny io”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: