Nampahafantatra ny maha kandidà filohan’ny Repoblika azy tao Fianarantsoa, Razafinjoelina Tahina. Nambarany fa kihon-dalana eo amin’ny tantara ny anio (omaly). Notsiahiviny fa be loatra ny fifankahalana politika miteraka disadisa. Ny tsy fandriampahalemana noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana. “Tsy misy politika mazava eto. Anisan’izany ny angovo, ny fandriampahalemana, ady amin’ny kolikoly”, hoy izy. Hitondra vina fototra novolavolaina efa tamin’ny 2010 izy. Anisan’ny vina ny fanabeazana hitodika amin’i Madagasikara. Milanja 900 kg ny omby any ivelany. “180 kg ny eto amintsika. Ndao karohina ny vahaolana”, hoy izy. Eo koa ny fitsinjaram-bola hoan’ny famokarana ary i Madagasikara niomerika hanafainganana ny asa isam-paritra sady iadiana amin’ny kolikoly.
Nambaran’ireo nandaha-teny fa natao fitaovana nakana vato fotsiny i Fianarantsoa. Nahatsiaro voafitaka. Gadraina ny zanak’io faritany io raha sahy mijoro. “Mila rivo-baovao isika fa sempotry ny fifankahalana politika”, hoy izy ireo.
Manohana an-dRazafinjoelina Tahina kosa i Dama (Mahaleo). “Nisafidy azy sy mitsodrano azy izahay noho ny asa ataony mifantoka amin’ny olombelona, manabe ny zanaka malagasy mba hitovy lenta amin’ny zanak’ireo efa matanjaka manerana izao tontolo izao amin’ny resaka informatika”, hoy izy.
Synèse R.




