« Slam nationale 14 » : efa mandeha ny fifa­ni­nanana isam-paritra

Tanàna maro no handray anjara amin’ny “Slam nationale 14”, hanatanterahana ny fifaninanana, ahafantarana ny solontenan’izy ireo, anio. Toerana roa, amin’ny roa ambin’ny folo handray anjara no efa nahavita ny anjarany, nahafantarana ny mpandresy tamin’izy ireo. Ckiky sy Ral’Art no avy any Toliara, raha i Paracetamol sy Amzu no voafantina hisolotena ny avy any Sambava.
Efa ao anatin’ny fikarakarana ny tomponandraikitra samihafa, ary tanjona ny hampiavaka ity fifaninanana nasionaly andiany faha-14 ity.
Ny tanànan’Antsirabe sy Mahajanga ary Fianarantsoa no hanatanteraka ny fifaninanana anio. Fifaninanana izay atao any amin’ny Alliance Française amin’ireo toerana ireo. Tsy maintsy manana lahatsoratra roa, amin’ny fiteny izay tiany hanaovana azy ny mpifaninana. Tsy mihoatra ny 3 minitra sy 10 segondra, isaky ny lahatsoratra, no hanaovana azy an-tsehatra. Ny mpandray anjara kosa tsy maintsy mihoatra ny 18 taona. Solontena roa isaky ny tanàna no andrasana amin’izao fifaninanana izao.
Ny “Slam nationale 14” izay ho tanterahina ny 21 septambra 2023 hatramin’ny 30 septambra 2023, eto Antananarivo.

Lin M.

Partager sur: