FJKM – Tantara : manan-taranaka velona Ambohimamory

Vohitra manantantara eto Imerina. Anisan’ireny ny fiangonana FJKM Ambohima­mo­ry Malala Orimbato. Hopo­rofoin’ny taranaka sy ny zanaka am-pielezana ary ireo sakaizany fa misy sy velona ry zareo sy ny vohitra nipoirany ary ny fiangonana nanabe azy. Rahampitso alahady, amin’ny 8 ora sy sasany, fanompoam-pivavahana tokana. Fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Anisan’ny hi­songadina amin’io ihany koa ny fandrehetana ny jiro hanehoan’ny taranaka fa velona izy ireo, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Ankoatra izay, hisy ny fanateram-bokatra. « Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak’olona » (Jaona 12 and. 23) no nakana ny teny fanevan’ny hetsika.
Manana mpanakanto maro Ambohimamory
Hitohy ny talata 15 aogositra tontolo andro ny hetsika. Vohitra manana mpanakanto sy nitsimohana talenta maro Ambohimamory. Eo amin’ny Kianjan’Ambodirano no hanatanterahina fampisehoana an-tsehatra hianohana hira sy kalo isan-karazany. Nanasa mpanakanto sy tarika hafa ry zareo. Manana ny maha izy azy avokoa izy ireo, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra avy eo anivon’ny fiangonana.
Fantatra fa 91 taona izao no nankalazan’ny taranaka ity 15 aogositra ity. Misy mihitsy ny komity manokana mikarakara izany.

Nanangona :
HaRy Razafindrakoto

Partager sur: