Filoha Rajoelina tany Antsiranana ; “Hojerentsika ny maha olona : tanora, tantsaha…”

Niompana amin’ny sosialy, indrindra ny fiahiana ny maha olona ny fitsidihan’ny filoha Rajoelina Andry tany Antsiranana, ankoatra ny fanatanjahantena.

Nitohy tamin’ny fitsidihana ny camp pénal ao Andaloasy, Sadjoavato, ny dian’ny filoha Rajoelina tany Antsiranana ny sabotsy teo. Nambarany fa hahazo fanalefahan-tsazy ireo miasa tsara sy tsara fitondrantena. “Lalana iray hiverenan’ny voafonja eo amin’ny fiaraha-monina ny tahaka izao. Mianatra asa izy ireo ao ary ahitsy koa”, hoy izy.

Tany amin’ny kianja mi­tafon’Antsiranana indray ny filoha avy eo nizara ny fanampiana ho an’ireo fianakaviana misitraka ny tetikasa Anko­honana Miatrika. Mitentina 250 000 Ar isan-tokantrano izany, iarahana miasa amin’ny Banky iraisam-pirenena. No­mena tohana eo amin’ny vola koa ireo tanora mpandraharaha amin’ ny alalan’ny tetikasa Mihary. Teo koa ny fanampiana ireo kaominina, amin’ny alalan’ny “Opération communale d’appui intégré”, fiaraha-miasa amin’ny “Pôle intégré de croissance-Pic” ka isitrahana ha­trany amin’ny 380 000 Ar izany. Hanatanterahana asa eny ifotony, mamaly ny filàn’ ny vahoaka eny ifotony. Ma­nampy izany ny fizarana moto ho an’ireo delegen’ny boriborintany.

Nozaraina koa ny vola “avance”, avy amin’ny fanjakana, tsy voaloan’ny Secren ho an’ny Cnaps mba hisitrahan’ireo mpiasa ny fisotroan-drononony. Mijery ireo sahirana sy ireo tanora mpandraharaha isika anio, raha nijery ny fananantany sy ny fahasalamana, omaly, araka ny nambarany. Nanteriny fa tsy main­tsy mifanampy sy mifampitsinjo isika. “Tsy hitsahatra ny hanasoa ny Malagasy ny filoha Rajoelina Andry. Hanasoa an’Antsiranana eo amin’ny maha olona, ary hikarakara ny maha olona isika raha mbola velon’aina sy omen’Andriama­nitra tanjaka”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: