Minisitra Yvette Sylla: “Mahasarika olona i Madagasikara amin’ny JIOI”

“Mahasarika ny vahiny i Madagasikara amin’ny fikarakarana sy fampiantranoana ny lalaon’ny Nosy (JIOI). Noho izany, ho avy eto ireo filom-pirenena eo anivon’ny Vao­mieran’ny ranomasimbe In­dianina (COI).” Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Yvette Sylla, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo.

Ho avy eto ny filohan’i Maurice, indrindra ny filohan’ ny Vondrona afrikanina (UA) sady filohan’i Kaomoro sy ny filohan’i Seychelles. Mandeha ny fikarakarana ny JIOI, ary mahasarika ny olona. Tokony hanana hambompo amin’izany ny Malagasy.
Miantefa amin’ny tanora sy ny mpanao fanatanjahantena ny JIOI. Aiza izy ireo no hivelatra, raha tsy manana finiavana hoe hifaninana amin’ ny zanaky ny aty amin’ny faritry ny ranomasimbe India­nina? Manaraka izany, ny hetsika goavana tamin’ny nahatongavan’ny Papa, ohatra, nahitana olona iray tapitrisa tamin’ny fandraisana. Ny JIOI hahitana olona maro ho eto Madagasikara. Mahatonga ny fampafahantarana an’i Mada­gasikara ny hetsika goavana be toy izany.
Rehefa fantatry ny olona i Madagasikara, raha manana olana, ohatra, na mila fampiasam-bola: mahasarika olona amin’izay. Noho izany, zava-dehibe ny hetsika goavana atao. Tsy mijanona fotsiny amin’ny fandraisana olona izany, fa misy tombontsoa azo ao ambadik’izay.

R. Nd.

Partager sur: