Nifarana, omaly, tetsy amin’ny Araben’ny Fahaleovantena, Analakely, ny fampisehoana nanakatonana ny andiany faha-12 amin’ny Jazz@Tohatohabato. « Nody ventiny ny rano natsakaina. Tafita ny ezaka natao tao anatin’izay taona maro nisian’ny Jazz@Tohatohabato izay. Nety ny natao. Ity no andiany be olona indrindra. Afa-po izy ireny. Nivelatra be ny jazz », hoy i Pépé Raveloson, avy ao amin’ny Jazz Club CGM, izay mikarakara ity hetsika ity rahateo.
Nohamafisiny fa « tazana nandray anjara avokoa ny ankizy sy ny tanora ary ny lehibe. Ny ankizy sy ny tanora, mivoatra hatrany ny talenta sy ny fahaizany. Ny lehibe ihany koa mbola mahavita tsara ». Ankoatra ireo, nanterin’i Pépé Raveloson ny hakanton’ny tolotra nomen’ireo mpandray anjara, satria, nisy karazany izy ireny. Tao ny sanganasan’ny Malagasy, nolalaovina ihany koa ny an’ny vahiny. Anisan’ny nampiavaka ito andiany faha-12 ito ny fandraisan’anjaran’ilay teratany vahiny. Niavaka satria ny zavamaneno malagasy valiha no nampiasainy. Nomarihin’i Pépé fa mpikambana ao amin’ny Jazz Club CGM izy io.
Ho an’ny seho ankalamanjana, omaly, anisan’ny mpanakanto nandray anjara i Nanie, sy ry Anna Sisters. Tsikaritra sy tsapa teny an-toerana ny fisian’ny fifantohana sy fahalianan’ireo mpijery tonga maro tokoa.
HaRy Razafindrakoto