Tafakatra valo ireo nanao fanambarana ho kandidà filoham-pirenena. Anisan’ny hifaninana ho eny Iavoloha, Ratsirahonana Lalaina Harilanto.
Nanao fanambarana ny filatsahany ho fidiana Filoham-pirenena ny zanaka faralahin-dRatsirahonana Norbert Lala. “Efa nahazo ny tso-dranony aho”, hoy Ratsirahonana Lalaina Harilanto. Filohan’ny fikambanana “An’i Kristy” izy. Tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Auximad. Natolotry ny antoko Fihavanantsika, naorin’Itompokolahy isany Ratsima James sy Rajakoba Daniel izy.
Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny antoko, Rakotonirina Solonjatovo fa tanjona ny hanarenana ny firenena, latsaka anaty fahasahiranana sy fahantrana lalina, vokatry ny krizy sosialy sy politika, nandritry ny 60 taona mahery. “Ilàna fahendrena sy fahamarinana ary tahotra an’Andriamanitra izany ka antony nisafidiananay an-dRatsirahonana Lalaina ho kandidà”, hoy izy. Nambaran’ny kandidà kosa fa maro ireo resy lahatra sy miombon-kevitra amin’izy ireo amin’ny hiverenana sy hitodihan’ny firenena amin’Andriamanitra. “Hametraka fanjakana manana andraikitra hampanjaka ny rariny sy fahamarinana isika. Hitaona antsika hahatsapa sy hahatsiaro fa efa natolotr’Andriamanitra antsika ity Nosy ity”, hoy izy.
Anisan’ny laharam-pahamehany ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana amin’ny lafiny rehetra.
Tsiahivina fa valo izany ireo efa nanambara ny haha kandidà azy. Anisan’izany i Paraina Auguste, Ravalomanana Marc, Andrianainarivelo Hajo, Rakotomahanina James Franklin, Rasoamaka James, Razafinjoelina Tahina, Ratsiraka Iarovana Roland. Izao naneho ny fahavononany hanao ny hazakazaka ho eny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha izao koa izany, Ratsirahonana Lalaina.
Synèse R.




