“Ahoana no hahazoan’ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana tena mandray an-tanana ny hoaviny amin’ny fampandrosoana ny kaominina na ny faritra?”, hoy ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, i Tokely Justin, ny amin’ny fanofanana ireo ben’ny Tanàna sy lehiben’ny boriborintany eo anivon’ny faritra Diana, tany Antsiranana, ny faran’ny herinandro teo.
Raha ny didy aman-dalàna no sakana tsy hatratrarantsika an’izay tanjona izay, voalazan’ny drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo (PNDE) fa azo hatsaraina hifanaraka amin’ny tanjona izany. Ialana ny fiankinan-doha lava amin’ny fanampiana omen’ny fanjakana foibe. Ahoana no hahazoan’izy ireo mitrandraka ny loharanom-bola misy any anivon’ny kaominina? Mba hoentina mampandroso ny kaominina.
Efa maro ny fanofanana ireo tomponandraikitry ny kaominina. Nefa misy ny tsy maintsy havaozina sy hamafisina. Tsy maintsy atao ny fanatsarana mandrakariva ny fitantanan-draharaha. Eo koa ny fanamafisana ny fizakan-tenan’ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Na amin’ny fitantanana na vola izany. Izay no lalan-tokana ahazoan’ny tomponandraikitry ny kaominina mandray an-tanana ny hoavin’ny kaominina sy ny fampandrosoana azy.
Niarahana amin’ny ”Institut national de décentralisation et de developpement local (INDDL)”, ny fiofanana izay naharitra roa andro.
R. Nd.




