Nifarana omaly, tao Jakarta, Indonesie, ny hetsika “Literature and Ideas Festivals” (LIFE’s). Hetsika nanomezana vahana manokana ny mpanoratra boky sy ny mpisehatra manodidina izany. Naharitra valo andro ny hetsika nanerana ireo ivontoeran’ny kolontsaina tao an-toerana. Nisolo tena an’i Madagasikara i Johary Ravaloson. Anisan’ny nizara ny maha izy azy tamin’izany ity mpisehatra eo anivon’ny literatiora malagasy ity.
Atrikasa, ady hevitra, famelabelaran-kevitra, fifanakalozana teo amin’ny sehatry ny literatiora no nameno ny fandaharam-potoanan’ny LIFE’s. Ireo tanora maniry ny hisehatra eo amin’ny tontolon’ny literatiora no tonga maro niatrika ny hetsika, ankoatra ireo efa manana ny maha izy azy eo amin’ity sehatra ity.
Nahaliana ny mpahay kanto tao Indonesie, sy ireo niatrika ny LIFE’s, ny atrikasa nataon’i Johary Ravaloson. Maro no niatrika ny famelabelaran-kevitra nataony. Mpanoratra manana ny lazany maro ihany koa ny nifanakalo hevitra taminy. Anisan’izany I Lisa Soaranto, mpahay kanto Indonezianina.
Lin M.