Fanokafana ny « Herinandron’ny kabary » : nasongadin’ny Fi.Mpi.Ma ny maha izy azy

Nosokafana ny 14 aogositra teo, tao Toamasina, ny « Herinandron’ny kabary ». Feno tanteraka ny fandaharam-potoana. Hetsika nahatarafana ny maha izy azy ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany. Fi.Mpi.Ma, zokiny indrindra sady maro mpikambana indrindra amin’ireo fikambanana miaro sy manandratra ny kabary malagasy. Diabe nialohavan’ny mpitsoka mozika, niala teo amin’ny « La Mairie » Toamasina, nandalo ny Tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera ary nifarana teo amin’ny Tranoben’ny Tanora sy ny fanatajahantena (CJST), izay nanatanterahina ny lanonana.
Notsidihina ny fampirantiana tao amin’ny CJST. No­tolorana mari-pahaizana ny andia “Arosy” (Taninketsa sy mpiofana avy ao amin’ny sampana Mbarakaly, Soa Ambo, Jean Fredy Fenoarivo Atsinanana, Vavatenina, Ambilobe ). Nosalorana lamba ireo mpikambana raikitra avy ao amin’ny sampana Mba­rakaly, Soa ambo, Vava­tenina, Ambilobe ). Notolorana valimbabena ny Voarabe avy ao amin’ny faritany Anta­nanarivo sy Renala avy ao amin’ny faritany AM.A.A. Toamasina sy Antsiranana. Fianianan’Atoa Jaonita, lohalontany avy ao amin’ny faritra Diana. Fianianan’Atoa Assany Feno, filohan-tsampana avy ao Ambohibondrona, sy Atoa Betsara Talata, avy ao Sadjoavato Anivorano.
Hitana ampaham-potoana lehibe amin’ity “Herinandron’ ny kabary” ity ny fanapahana ny tetikasa hotanterahina amin’ny taona manaraka.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: