Rasoamaromaka Hery: “Tsy tompon’andraikitra amin’ny hadalan’ny hafa ny filoha”

“Ireo olona omena toerana matetika manondrana. Tsy tompon’andraikitra amin’ny hadalan’ny hafa ny filoham-pirenena. Aleo hihatra aminy ny lalàna”, hoy ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, ny alatsinainy teo, raha nilaza ny heviny mahakasika ny raharaha Randrianarisoa Romy.
Ireo olona noheverina fa hanavotra ny firenena sy hanampy ny filoha no mamoa-tsampona sy mamoa-doza. Izay no lesoka amin’ireo tsy nitolona kanefa mahazo toerana, araka ny nambarany.
Tsy tompon’andraikitra amin’ny toetran’ny tsirairay ny filoham-pirenena. Andrasana amin’ireo notendrena sy napetraka ny asany. Tompon’ andraikitra feno amin’izany ny rehetra. Tsy voairaka rahateo ity talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika ity raha nandeha tany Londres fa nandritra ny fialantsasatra nataony manokana.
“Hamafisiko fa tsy tompon’andraikitra aminay notendrena ny filoha fa izahay no tompon’antoka amin’ny asa izay tsy vitanay sy amin’ny hadalana nataonay”, hoy hatrany ny governoran’ Ana­lamanga.
Momba ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy, niantso ny fiaraha-mientan’ny rehetra, toy ny natao tamin’ny Barea ireny, izy, fa tsy tokony hampikatso izany. Fandresen’ny Mala­gasy no tanjona fa tsy ho an’ny fitondram-panjakana akory.

Synèse

Partager sur: