Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana nahafantarana ny solontenan’ny tanànan’Antsirabe sy Fianarantsoa ary Mahajanga, amin’ny “Slam nationale 14”. Ny Alliance Française any an-toerana no nandray ny hetsika sy manohana ary manampy tamin’ny fikarakarana. Efa manana solontena araka izany ny tanàna dimy amin’ny roa ambin’ny folo, handray anjara amin’ny fifaninanana nasionaly. Santa sy Ratoljah ho an’Antsirabe, Disquette sy Noe Lardau ho an’i Fianarantsoa, Vitsika sy Akira Oli ho an’i Mahajanga, ireo no nivoaka mpandresy tamin’ny fifaninanana.
Araka ny nambaran’ny mpikarakara, ho fantatra amin’ny fiafaran’ity volana ity ny mpandray anjara rehetra amin’ny “Slam nationale 14”, indrindra ny avy any amin’ny faritra.
Raha tsiahivina, hisy ny fifaninanana isan’olona, hamaritana izay hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Hisy koa ny fifaninanana isaky ny tanàna niaviny, ao anatin’ny fifaninanana nasionaly.
Lin M.