Nahabe resaka tato ho ato ny amin’ny firaisamonina sivily. Misy mahazo volabe, nefa tsy hita ny asa vita. Nilaza ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, fa azo anaovana fitsirihina izay manodinkodim-bola. Fanehoan-kevitra…
“Raha misy miteny hoe manodinkodim-bola ny firaisamonina sivily: na ny fanjakana aza, afa-manao fitsirihana ny fitantanam-bolany. Tsy adala koa ny tompom-bola ka holanilaniana fahatany ny vola omeny.” Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, ny amin’ny fisiana firaisamonina sivily hoe nahazo volabe nefa tsy hita izay asany.
Manana zo hanao fitsirihana amin’izay tiany hanaovana izany ny fanjakana. Manao tolo-kevitra amin’izay mpiara-miombon’antoka afa-manohana azy amin’ny asany ny firaisamonina sivily; eny, na ny fanjakana aza. Noho izany, misy fifanarahana mazava ao amin’izay asa atao ary misy ny fanaovana tatitra amin’izany.
Tsy maintsy mitady famatsiam-bola hahazoany miasa ny firaisamonina sivily. Tsy azoazo amin’izao izany, fa misy fifanarahana mazava sy zavatra atolotra. Tamin’ny fandaharana manokana tamin’ny haino aman-jery, tamin’ny 4 aogositra, no nitenenan’ny filohan’ny Ceni hoe misy firaisamonina sivily nahazo famatsiam-bola. Nezahiny nohazavaina tamin’izany fa tsy miankina amin’ny Ceni irery ny tsy fahalavorarian’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, fa miankina amin’ny firaisamonina sivily koa.
Tsy misy ny lalàna
“Tsy misy ny lalàna momba ny firaisamonina sivily eto Madagasikara”, hoy izy. Efa nitaky an’izany ny firaisamonina sivily, ary nanolotra volavolan-dalàna. Na ry zareo aza, mahatsiaro tena ho tsy voaaro amin’ny asa ataony. Tokony hantsoina izy ireo hametraka izay lalàna momba ny firaisamonina sivily izay. Ny lalàna mifehy ny fikambanana na ny fikambanana tsy miankina (ONG) no misy. “Enga anie mba hisy izay lalàna izay. Mba hahazoana manavaka ny vary sy ny tsimparifary”, hoy izy.
Natao hanabe ny olom-pirenena ny firaisamonina sivily, natao hanao fanairana sy hitondra teny. Mitodika any amin’ny tombontsoam-bahoaka izany rehetra izany. Maso mijery sy sofina mihaino ary vava mitenin’ny fiarahamonina izany. Matoa izy manao fanairana, manao tombana amin’izay zavatra iray, tsy mety izy izay. Ny fampandrosoana ny raharaham-pirenena ankapobeny no jereny.
R. Nd.




