Tontosa ny 15 aogositra 2023, teny amin’ny masoivohon’i Inde eto Madagasikara, ny lanonana fankalazana ny faha-76 taona nahazoany fahaleovantena. Olom-panjakana maro avy amin’ny fitondrana malagasy no tonga nanotrona ny lanonana. Tanatin’ny lahatenin’i Bandaru Wilsonbabu, masoivohon’ity firenena ity eto Madagasikara no nanambarany fa “miahy ny amin’ny hoavin’ny firenena andalam-pandrosoana izy ireo, noho ny fahatsapany ny fahasahiranana mahazo ireto sokajim-pirenena ireto, nandritra ny fihainona azy ireo tamin’ny “Voice of Global South”, natao ny volana janoary 2023.
Nametraka tanjona ho firenena mandroso alohan’ny 2047 ny Indianina, araka ny nambaran’ity masoivoho ity hatrany. Na izany aza, vonona hanampy sy hiahy ireo firenena andalam-pandrosoana mitovy aminy izy ireo. Anisan’ izany ny fiarovana an-dranomasina, ny fambolena, ny angovo azo avaozina…
Ny fitarainan’ny firenena andalam-pandrosoana, nandritra ny “Voice of Global South”, izay ho entina eo anatrehan’ny fivorian’ny G20, ho atao any Inde.
Lin M.




