Navoakan’ny gazety News week Romania fa ho talen’ny fampielezan-kevitry ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny amin’ny fifidianana, ilay teratany Roumain, i Anton Pisaroglu. Io ve izany no ao ambadiky ny mpitarika ny Mihava Tour ?
Efa mpanolotsaina teo aloha, ny praiminisitr’i Romania, izy io ary izao lasa mpanolotsaina politika “Consultant” manokana, ny mpitarika ny Mihava Tour izao.
Tsy vitan’izany fa tao ambadik’ireo korontana tany Georgie izy ka noroahin’ny mpitondran’io firenena io niala tany aminy. Nisahana ny mpanolotsaina politika ny filoha lefitr’i Soudan, ny Jly Mohamed Dagalo koa avy eo, teo anivon’ ny vondron-tafika tsy ara-dalàna, “Paramilitaire”. Nitohy tamin’ny fanozongozonana sy fanjerana ny fitondran’ny filoha Soudanais, Omar El-Bechir izany, ny taona 2019 ary tao ambadiky ny fanonganam-panjakana tany an-toerana, ny taona 2021 sy ny 2023 izy.
Paikady sy stratejia tsy ampoizina
Etsy andaniny, nanana fifandraisana tamin’ny filohan’i Guinée teo aloha, niongana, i Alpha Condé koa i Pisaroglu, araka ny fampitam-baovaon’ny News week Romania hatrany.
Mampanahy, araka izany, ary miteraka adihevitra izao fiarahany amin’ny depioten’i Toliary I izao. Mety hahavita paikady sy stratejia tsy ampoizina ho amin’ny fanakorontanana fifidianana izy ireo. Eo koa ny momba ny harena an-kibon’ny tany eto amintsika, anisan’ny mahasarika ireo firenena tatsinanana ireo. Tsy mifanalavitra amin’izany io tranga miseho, amin’ny fanoheran’i Siteny ny fitrandrahana ataon’ny Base Toliary io. Iketrehany vahaolana hafa, miaraka amin’i Anton Pisaroglu ve?
Araka izany, hitondra inona manoloana ny fifidianana izao fisian’ny hery vahiny ao aorian’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny izao ?
Randria




