“Tsy izahay irery no efa niharan’izany fa ireo kandidà sy mpanao politika. Niharan’ ny sakantsakana nataon’ny zandary izahay na efa nahazoana alalana aza ny famoriam-bahoaka anaty efitrano nataonay”, hoy ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, omaly. Notsiahiviny ny tranga niseho tany Vangaindrano sy ny tany Ampanefena. Nanteriny fa voahitsakitsaka ny demokrasia sy ny fahafahana maneho hevitra. Eo koa ny fanitsahana ny Lalàmpanorenana, ny lalàna, ny fifanarahana iraisam-pirenena (ONU) sy ny Vondrona Afrikanina (UA) ary koa ny eo anivon’ny Sadc.
Nohitsiny fa afaka namory vahoaka malalaka teny Atsimondrano ny mpomba ny fitondrana, amin’ny resaka politika, teny an-kianja. “Misy fitanilana ao anatin’izany ary koa ny fampiasana ny mpiasam-panjakana amin’ny hetsika tahaka izany”, hoy ihany ity filoha teo aloha ity.
Tsy matahotra fifidianana
Nanaovan’ny HVM antso izany mba hahatongavana amin’ny fitoniana ary koa ny tokony hitovian’ny rehetra
amin’ny hetsika politika. Nambarany koa fa sahy amin’ny fifidianana izy ireo. Mbola misy fotoana anefa ny hanambarana izany. “Tsy matahotra fifidianana isika ary vonona… Ilaina ny fanarenana ny firenena, indrindra amin’izao fahantrana lalina izao, miaraka amin’ ny vina fisandratana sy ny fanorenana ifotony”, hoy izy.
Synèse R.




